Fitanana ny tsiambaratelo

Ity Fitanana ny tsiambaratelo ity dia natao hoan’ny mpampiasa ny Internetradiouk sy ireo mampiasa ireo tolotra ato aminay irery ihany.
Radio.mg dia miaro ny tsiambaratelonao rehefa mampiasa ny tolotra ato aminay ianao. Na izany aza dia manana fomba fitanana ny momba anao manokana izahay mba ho ampiasaina sy ho arovana. Izay fanovana momba ity fitanana ny tsiambaratelo ity dia azonao jerena ao amin’ny tranonkalanay.

Ahoana no fomba ampiasanay ny momba anao manokana?

Rehefa manome ny momba anao manokana ianao dia manaiky ny fampiasanay izany mba hanatsarana hatrany ny tolotra sy hanome fahafaham-po anao. Tazominay mandritra ny fotoana ilainay mba hikarakarana ny tolotra ireo ary araky ny lalàna manan-kery. Aorian’izay dia hofafana izy ireo. Tsy azonay atao ny mamafa ny momba anao raha toa ka misy ny fomba fitanana ara-dalàna ilàna izany, toy ny fitandremana ny boky fitsipika na zavatra hafa araky ny lalàna, toy ny fifamatorana.

General Data Protection Regulation (GDPR)

Ao anatin’ny EEA na ny vondrona ekonomika Eoropeana dia ireo dokam-barotra tsy voatokana no aseho anao. Ireo dokam-barotra ireo dia tsy misy ifandraisany aminao manokana ary tsy mampiasa cookies izahay amin’izany.

Inona avy ireo zonao?

Manan-jo ianao hangataka ny momba ny tahiry. Raha toa ka misy diso, tsy ampy na tsy araky ny tokony ho izy izany dia azonao atao ny mangataka ny hanovana izany na hanalana izany. Isan-taona dia manan-jo ianao hangataka fanadihadiana an-tsoratra momba ireo zavatra anananay momba anao. Mba angatahana iany dia manorata any amin’ny mpikarakara ny mpanjifan’ny Radio.mg. Azonao atao ny manala ny fanekenao ny fampiasanay ny momba anao eo amin’ny lafiny ara-barotra (toy ny fandefasana katalogy, tolotra vaovao sy fampahalalana an-tsoratra) na oviana na oviana no irinao.

Iza no manana alalana hahita ireo tahiry?

Tsy misy manana alalana ny hahita ireo tahiry ho ampiasaina aminany lafiny ara-barotra ankoatry ny vondrona Radio.mg irery ihany.

Ahoana ny fomba iarovanay ireo tahiry?

Efa misy ireo fepetra tekinika sy fandaminana manokana napetraka mba ho fiarovana ny tahiry tsy ho very, na hisy ampiasa, na hisy hanana fahefana hikitika sns. Izahay dia manavao hatrany ireo fepetra raisinay mba hifanaraka amin’ireo teknolojia vaovao sy ny fandrosoana. Izahay ato amin’ny Radio.mg dia mampiasa ny “encryption”. Ny Secure Sockets Layer (SSL) dia fomba ahafahana manao izany “encryption” izany rah amisy fifandefasana fahalalana eo amin’ny mpividy sy ny mpivarotra.

Cookies

Ny cookies dia soratra vitsivitsy tehirizina mandritra ny fotoana ampiasanao ny solosaina na ny fitaovana ampiasainao rehefa mijery ny tolotra avy aminay ianao. Radio.mg dia mampiasa cookies mba hanafaingana sy hanatsara ny fitsidihanao. Tsy mampiasa cookies kosa izahay mba hitehirizana ny momba anao na hanomezana izany olon-kafa na fikambanana hafa.

Misy karazany roa ny cookies: ireo mipetraka maharitra sy ireo mandalo fotsiny ihany(session cookies). Ireo cookies mipetraka maharitra dia voatahiry ao anatin’ny solosaina na fitaovana ampiasainao mandritra ny 12 volana ihany. Ny session cookies dia voatahiry mandritra ny fotoana voafetra ary voafafa rehefa hidinao ny fitaovam-pitadiavana ampiasainao. Ny cookies maharitra no ampiasainay mba hitehirizana ny safidinao rehefa manokatra ny pejy ianao ary hitehirizana ny mombamomba anao rehefa misafidy ny “Remember me” ianao rehefa miditra.

Azonao atao tsara ny mamafa ny cookies tsy ho ao anatin’ny solosaina na ny fitaovana ampiasainao rehefa mitady ianao. Mba ho fanampiana anao amin’ny famafana izany cookies izany dia jereo ny “fanampiana’ ao amin’ny fitaovam-pitadiavana ampiasainao. Azonao atao ny misafidy ny tsy handefa ny cookies na handray fanairana rehefa misy cookies misy mandefa ao amin’ny solosaina na ny fitaovana ampiasainao. Fantaro fa raha misafidy tsy handefa ny cookies ianao dia maro ireo tolotra mety tsy ho hitanao.

Ireo cookies hafa

Mampiasa ireo cookies hafa izahay mba hananay statistika ny momba ireo fitaovam-pifandraisana hafa toy ny Facebook, Google AdSense, Google Analytics, Google+ ary Twitter. Ny cookies ampiasaina dia ireo maharitra sy ireo mandalo (session cookies). Ny cookies maharitra dia voatahiry ao anatin’ny solosaina na fitaovana ampiasainao mandritra ny 24 volana ihany.

Rohy

Radio.mg dia afaka manampy rohy momba ny tranonkana hafa izay tsy eo ambany fifehezany. Tsy misy ny andraiktra azonay raisina ny momba ny fitanana ny tsiambaratelo na ny ao anatin’ireny tranonkala hafa ireny, kanefa manamora ny fitadiavana fahalalana hafa momba ny zavatra tadiavina manokana izahay amin’ireny rohy ireny.

Zo manokana

Izay rehetra hita ato amin’ity tranonkala ity dia zo manokana ary voaharo izay fananan’ny Radio.mg irery ihany.

Ireo fomba fitahirizana hafa

Radio.mg dia mampiasa fomba fitahirizana hafa izay eken’ny European Union’s General Data Protection Regulation (GDPR) ary ho an’ny tahiry rehetra hafa dia ny Data Processing Agreements (DPA) no miasa.